Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 5:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin’ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin’ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin’ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Raha misy mahakasika zavatra tsy madio, na fatin’ny biby tsy madio, na fatin’ny biby fiompy tsy madio, na fatin’ny biby mandady na mikisaka tsy madio, na tsy hitany aza izany, dia maloto sy meloka noho izany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 5:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Tompo ô, izaho mpanomponao dia hazavain’ireny tokoa; fa lehibe ny tombontsoa ho an’izay mitandrina azy.


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


eny, ho fady aminareo ireny, ka aza haninareo ny henany ary fadio ny mikasika ny fatiny.


Koa aza haninareo ny henany ary aza kasihinareo akory ny fatiny: maloto aminareo ireny.


«Raha ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo no manota tsy nahy ka nandika ny anankiray amin’ny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao, dia meloka izy na tsy misy mahatsikaritra izany aza ny Fiangonany.


«Raha misy olona manota satria manao tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’ny TOMPO, dia manjary manan-tsiny izy sady itambesaran’ota.


«Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.


«Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombàny fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.


Ary izay nahakasika fahalotoana ara-pivavahana, na olona maloto na biby maloto na zavatra hafa maloto, kanefa mihinana amin’izany hena izany, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.»


Mbola nanontany azy ireo koa i Hagay hoe: –Aoka indray hatao hoe misy olona maloto satria nikasi-paty izy; raha mahakasika sakafo izy avy eo, moa ho tonga maloto koa ve izany? Dia novalian’ny mpisorona hoe: –Eny, ho tonga maloto izany.


Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.»


Mampalahelo ianareo, fa toy ny fasana tsy misy famantarana ka voahitsakitsaky ny olona tsy ampoiziny.


Izany no ilazan’ny Tompo hoe: «Mialà teo aminy ka misaraha aminy; aza mikasika zavatra tsy madio, dia horaisiko ianareo.


ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro ihany izy saingy tsy mba mandinika. Koa aza haninareo ny henan’ireo biby ireo ary aza kasihinareo akory ny fatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra