Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 5:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Honerany izay nanotany ny amin’ny zava-masina, ary hampiany ampahadiminy ka hatolony ny mpisorona. Ary hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana ny mpisorona dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary izay tokony ho anjaran’ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampahadiminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin’ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary izay efa nanotany ny amin’ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin’ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 5:16
22 Rohy Ifampitohizana  

Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.


«Raha misy mpangalatra tratra eo am-pangalarana amin’ny alina ary voakapoka ka maty, dia tsy vono olona akory izany;


«Raha misy Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona ka nahahinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia honerany amin’ny mpisorona izay laniny ka hotongavany ny ampahadiminy.


Raha tian’ny tompony havotana ilay biby, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany.


Raha tian’ny tompony havotana ilay trano, dia ny tombam-bidiny tongoavina ampahadimy no haloany; dia ho azy ny trano.


Raha voalohan-teraka amina biby maloto no hatokana ho an’ny TOMPO, dia azon’ny tompony avotana ilay biby, araka ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy; fa raha tsy havotan’ny tompony izy, dia hamidy amin’olon-kafa araka ny tombam-bidiny.


Raha misy tian’ny tompony havotana io ampahafolon’ny vokatra io, dia ny tombam-bidy tongoavina ampahadimy no haloany.


Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Ny vorona anankiray kosa dia sorona dorana manontolo araka ny fomba fanao; ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin’ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. «Araka ny fanao amin’ny fanatitra vokatry ny tany no hataon’ny mpisorona amin’izany.»


Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.


ka eo amin’ny toerana famonoana ny sorona dorana manontolo no hamonoana ny sorom-panonerana; ary ny ra dia hatopiny manodidina amin’ny lafin’ny alitara.


Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin’ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin’ny vidiny.


Raha tàhiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an’ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka.


Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin’ny Tompo hoe: –Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an’ny mahantra; ary izay zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


Dia hoy ireo namaly: –Raha hamerina ilay Vatamasin’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, dia aza averina foana amin’izao, fa tsy maintsy hanateranareo fanonerana Izy; dia ho sitrana ianareo ary ho fantatrareo ny anton’ny namelezan’io Andriamanitra io anareo tamin’ny heriny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra