Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 5:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hoentin’ilay olona izany koba izany ho eo amin’ny mpisorona ka handraofan’ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin’ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hoentin’ilay olona izany koba izany ho eo amin’ny mpisorona ka handraofan’ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin’ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Hitondra izany ho eo amin’ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tanana ila amin’izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh; sorona noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia hitondra azy ho eo amin’ny mpisorona izy, ary handraofan’ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia hoentiny eo amin’ny mpisorona io ka handraofan’ny mpisorona eran’ny tanana ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ary hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara miaraka amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Fanatitra fanadiovana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 5:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


ary hosamahiny anelanelan’ny elany fa tsy hosarahiny roa tanteraka ilay vorona, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara, dia eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Izay mpanolotra no hanasa amin’ny rano ny taovany sy tongony; fa mpisorona anankiray kosa no handoro azy rehetra hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Ary hodoran’ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan’ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.»


Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Ny anankiray amin’ny mpisorona kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Sakafo levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.


ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.


Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana noho ny ota vitany momba ny anankiray amin’ireo lafin-javatra ireo, dia voavela ny otany. «Araka ny fanao amin’ny fanatitra vokatry ny tany no hataon’ny mpisorona amin’izany.»


«Rehefa misy anankiray amin’ny taranak’i Aharôna voahosotra ho mpisorombe handimby azy, dia hanao izany fanatitra izany koa izy. Anjara raikitra ho Ahy TOMPO izany ka hodorana hanetona avokoa:


Hangalan’ny mpisorona eran’ny tanana, ho fampahatsiarovana ny TOMPO izany fanatitra izany ka hodorany hanetona eo amin’ny alitara; izay vao hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.


Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra