Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Fa raha mbola tsy takatry ny ananany ihany koa ny domohina roa na ny voromailala roa dia hitondra ny fanatitra noho ny fahotany izy, koba tsara toto ampahafolon’ny efaha ho fanatitra fanadiovana; tsy hasiany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo manitra satria fanatitra fanadiovana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 5:11
23 Rohy Ifampitohizana  

kanefa rehefa nafatra tamin’ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.


Ny fatran’ny mana fanangona dia efatra zingan-drano eo ho eo, izany hoe ampahafolon’ny famarana mahazatra.


«Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.


Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.


«Raha mahantra ilay marary hoditra ka tsy misy harena firy ananany, dia ireto avy ny zavatra hoentiny: zanakondrilahy iray monja hatao sorom-panorenana ka hahevaheva eo anatrehan’ny Tompo no fanolotra azy mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana; koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja telo kilao; menaka antsasa-litatra;


«Raha mahantra kosa ilay olona nivoady ka tsy mahaloa izay vola voatombanao haloany, dia hoentina eo anatrehan’ny mpisorona ilay olona natokana ho an’ny Tompo; araka izay fari-pananan’ilay nivoady no hanombanan’ny mpisorona ny vola haloa.


Hoentin’ilay olona izany koba izany ho eo amin’ny mpisorona ka handraofan’ny mpisorona eran-tanana ila mba ho fanati-pahatsiarovana; dia hodorany hanetona eo amin’ny alitara io fanati-pahatsiarovana io, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO: fanatitra fanalana ny ota izany.


Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.


hamafazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny ran’ilay vorona, ary ny ra sisa dia hofiaziny eo am-pototr’io alitara io ihany: sorona fanalana ny ota izany.


ny olon-kafa rehetra, izay mikasika ny henan’izany sorona izany, dia hofaizin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Raha misy fitafiana ipitihan’ny rany, dia hosasana eo amina toerana voatokana ny faritra nipitihany:


Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin’ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina ôrza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.


Nitondra fanatitra araka ny voalaza ao amin’ny lalànan’ny Tompo ihany koa i Maria sy i Jôsefa, izany hoe fanatitra «domohina roa na voromahailala roa».


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Araka ny lalàna, dia saika diovina amin’ny ra avokoa ny zavatra rehetra; ary tsy voavela ny fahotana, raha tsy misy ra afafy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra