Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 3:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ny mpanolotra no hametra-tanana amin’ny lohan’ilay osy ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohany izy dia hamono azy eo anoloan’ny tranolay fihaonana ary hamafy ra manodidina ny alitara ireo zanak’i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny mpanolotra no hametra-tanana amin’ny lohan’ilay osy ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hametraka ny tànany amin’ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak’i Arona dia hanopy ny ra manodidina amin’ny lafin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 3:13
15 Rohy Ifampitohizana  

Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.


Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.


Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka.


«Rehefa osy no atolotra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.


Amin’io osy io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany ny jaboran-tsinainy;


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra