Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Hoentinao any amin’ny TOMPO ilay fanatitra voavoatra tamin’ireo karazan-javatra ireo; ary rehefa voatolotra ny mpisorona izany, dia harosony eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hoentinao ho an’NY TOMPO ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay vita amin’ireo zavatra ireo; rehefa voaatitra eo amin’ny mpisorona ireo dia hoentiny eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Hoentinao any amin’ny TOMPO ilay fanatitra voavoatra tamin’ireo karazan-javatra ireo; ary rehefa voatolotra ny mpisorona izany, dia harosony eo ambonin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hoentinao ho ao amin’i Iaveh ny fanatitrao, rehefa voavoatra toy izany; ary rehefa voatolotra amin’ny mpisorona izy, dia hoentiny ao amin’ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ho entinao ho an’i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin’ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin’ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hoentinao ho an’NY TOMPO ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay vita amin’ireo zavatra ireo; rehefa voaatitra eo amin’ny mpisorona ireo dia hoentiny eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:8
3 Rohy Ifampitohizana  

Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.


Hanavaka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’izany izy ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra