Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 17:4 - DIEM PROTESTANTA

4 dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO, dia ho meloka noho ny ra nalatsany io olona io ka hesorina tsy ho amin’ny fireneny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Jehovah eo anoloan’ny tabernakelin’i Jehovah, dia ho meloka noho ny ra nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny izy,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:4
30 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.


Sambatra izay tsy heverin’ny TOMPO ho diso sady tsy misy fitaka ny fanahiny.


«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.


Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»


Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin’ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin’izay tsara indrindra anananareo.


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ny ain’ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza mihinana ny ran’ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita›.


Na iza na iza Israelita mamono omby na ondry na osy, ao anatin’ny toby any ivelan’ny toby,


Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.


ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita manko izay rehetra manao amin’ireo zava-mamoafady ireo.


Raha misy vehivavy mety hiray amin’ny biby, dia samy hovonoina na ravehivavy na ilay biby; hatao maty tokoa izy roroa ka hozakainy ny ho faty.


«Raha misy lehilahy mandry sy miray amin’ny vehivavy mararin’ny fadimbolany, dia nifanaraka hampihanjahanja ny ipoiran’ny ran-dravehivavy izy roroa, ka samy hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin’i Môlôka ny iray amin’ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baràka ny anarako masina.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Raha tàhiny hihinanana amin’ny andro fahatelo izany henan’ny sorom-pihavanana izany, dia tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny mpanatitra azy; hoheverina ho tsinontsinona izany sorom-pihavanana izany, satria ny henany efa nanjary tsy azo ampiasaina amin’ny fombam-pivavahana intsony. Izay olona mihinana amin’izany dia itambesaran-keloka.


Dia hoy indray i Jesoa: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin’ny ondry.


Izaho no vavahady: raha amin’ny alalako no idiran’ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Toy izany no ilazan’i Davida hoe sambatra ny olona, raha tsy ny asa vitany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina:


Talohan’ny lalànan’i Mosesy dia efa nisy fahotana teo amin’izao tontolo izao; nefa ny fahotana dia tsy mbola natao hoe fandikana, raha tsy mbola nisy ny lalàna.


Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin’izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana.


TOMPO ô, afaho andraikitra amin’izany ilay Israely vahoaka navotanao, ary aoka ny famonoana olona tsy manan-tsiny mba tsy havelanao hanjaka eo anivony.» Dia ho afaka andraikitra amin’izany famonoana olona izany ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra