Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 17:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Araka izany dia hoentin’ny Zanak’Israely ho an’NY TOMPO eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho amin’ny mpisorona ny zavatra vonoiny ho fanatitra izay famonony tany an-tsaha; dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Amin’izay, dia tsy ho eny an-tsaha intsony no hamonoan’ny Israelita ny biby vonoiny; fa an’ny TOMPO ireny biby ireny ka dia hoentin’ny Israelita ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, mba hatolotra ho sorom-pihavanana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 mba tsy ho eny an-tsaha no hamonoan’ny zanak’i Israely ny zavatra vonoiny, fa hoentiny amin’ny mpisorona, eo anatrehan’i Iaveh, ao anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hateriny ho sorona fihavanana amin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 mba ho entin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ho amin’ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 mba ho entin'ny Zanak'isiraely ho an'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ho amin'ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:5
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.


Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr’ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon’ny zanany lahy.


Dia hoy Andriamanitra hoe: –Ento i Itsehàka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin’ny tany Môrià eo ambonin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.


Ary nanolotra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba ka nanasa ireto havany hiara-misakafo aminy. Ary rehefa avy nisakafo ny besinimaro, dia nandry teo an-tendrombohitra tamin’ny alina.


Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny.


Kanefa tamin’izay ny olona dia mbola nanao sorona teny amin’ny toeram-panasinana ihany, satria tsy mbola nisy ny trano voatokana hanajana ny TOMPO.


Notiavin’i Salômôna ny TOMPO ka ny toromarik’i Davida rainy no nizorany; nefa izy koa mbola nanao sorona sy nandoro zava-manitra teny amin’ny toeram-panasinana.


Nanolotra sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana izy ary koa teny amin’ny havoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.


Nananganany tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana nisy hazo midoroboka maitso rehetra teny;


Nanao sorona biby sy nandoro azy hanetona teny amin’ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.


Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin’ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana:


Rehefa tapitra ny herinandro ka mitehina ny andro fahavalo, dia hahazo manolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana eo amin’ny alitara ny mpisorona. Amin’izay dia ho sitrako ianareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


«Ireo Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, dia nitandrina kosa ny anjara raharahany momba ny Toeramasina onenako, na dia nivily niala tamiko aza ny Israelita. Noho izany, dia ireo ihany no hahazo manatona hanompo Ahy Tompo sy hanolotra amiko ny sabora sy ny ran’ny sorona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ilay mpisorona kosa hamafy ny ran’ilay biby eo amin’ilay alitaran’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary handoro ny jaborany hanetona ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


Hopotehinareo mihitsy ny toerana fanompoan-tsampy rehetra eny an-tendrombohitra sy eny an-tampon-kavoana ary eny am-bodihazo maitso rehetra eny; amin’ireny toerana ireny manko ireo firenena horoahinareo no manompo ny andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra