Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 10:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Aza misotro zava-pisotro mahamamo ianareo, rehefa hanavaka ny zavatra masina sy tsy masina ary ny zavatra madio sy tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 10:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.


Mandika ny lalànako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.


«Ny mpisorona no hampianatra ny vahoakako hanavaka ny masina sy ny tsy masina ary ny madio sy ny maloto.


ka hanavahanareo ny biby madio sy maloto ary ny biby izay fihinana sy izay tsy fihinana.


Hozahan’ny mpisorona ilay olona ka raha hitany fa misy mamontsina fotsy somary mena eo amin’ny loha sola na eo amin’ny mazavaray, ka miendrika habokana eo amin’ny hodi-nofo,


Ireo fepetra ireo no ahazoana mamantatra hoe maloto na madio ny olona na zavatra anankiray.


Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra