Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 1:8 - DIEM PROTESTANTA

8 ary mbola ny mpisorona taranak’i Aharôna ihany no handahatra eo ambonin’ireo kitay ireo ny omby voarasa mbamin’ny lohany sy ny taviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra izay voarasa mbamin’ny lohany sy ny jaborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 ary mbola ny mpisorona taranak’i Aharôna ihany no handahatra eo ambonin’ireo kitay ireo ny omby voarasa mbamin’ny lohany sy ny taviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 izay vao halahatry ny mpisorona zanak’i Aarôna eo ambonin’ny kitay hazo, eo amin’ny afo, ny didin-kena mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin'ny lohany sy ny saborany eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia handahatra izay voarasa mbamin’ny lohany sy ny jaborany eo ambonin’ny kitay eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 1:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Aoka homena ombilahy roa izahay; ka ianareo mpaminanin’i Bahala hifidy anankiray hotetehinareo sy hapetrakareo eo ambony kitay mba hatao sorona, saingy tsy hasiana afo ao. Izaho kosa hikarakara ny anankiray ka hametraka izany eo ambony kitay, saingy tsy hasiana afo koa ao.


Ary nalahany teo ambony alitara ny kitay, dia norasainy ny omby ka napetrany teo ambonin’ny kitay.


Nisy lakan-drano kely namboarina manodidina ny sisin-databatra ka valo santimetatra ny velarany; ary teo ambonin’ireo latabatra ireo no nametrahana ny hena hatao sorona.


Izay mpanolotra no hanao rasa vaventy azy sy hanesotra ny lohany sy ny taviny; fa mpisorona anankiray kosa no handahatra ireny eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo eo amin’ny alitara.


Amin’io omby sorom-pihavanana io, dia halain’izy mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy;


ny voany roa mbamin’ny tavy miraikitra amin’ny voany sy amin’ny takibany; ary ny tavy saron’atiny izay atao indray manala amin’ny voany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra