Levitikosy 1:5 - DIEM PROTESTANTA5 Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan’ny *Toeramasin’ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan’ny Tranolay fihaonana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan’ny *Toeramasin’ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan’ny Tranolay fihaonana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Dia hamono ny zanak’omby eo anatrehan’i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hanopy azy manodidina amin’ny lafin’ny alitara, izay eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana; Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Dia hamono ny zanak'omby eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin'ny lafin'ny alitara, izay eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Dia hamono ny omby eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanatitra ny ra ka hamafy azy manodidina ny alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana. Jereo ny toko |
Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.
Hotentenany ra koa ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra, alitara izay ao anatin’ny Tranolay fihaonana; ary ny ra sisa rehetra, avy amin’ilay ombilahy, dia haidiny eo am-pototry ny alitara fanaovan-tsorona dorana, alitara izay eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.