Levitikosy 1:4 - DIEM PROTESTANTA4 Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Izay mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona; dia hankasitrahina izany mba hahazoany famelan-keloka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ary hametraka ny tànany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanatovana ho azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary hametraka ny tànany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Hametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy. Jereo ny toko |
Ary farany momba ny biby fiompy eny amin’ny kijànan’i Israely: iray isaky ny ondry na osy roanjato no havahanareo. Ka izay navahanareo dia hatolotrareo ho fanatitra vokatry ny tany na ho sorona dorana manontolo na ho sorom-pihavanana mba hahazoanareo famelan-keloka. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.
Hapetrany amin’ny lohan’io osilahy io ny tanany roa, ary hotanisainy eo amboniny avokoa ny heloka amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany. Hatambesatr’i Aharôna amin’ilay osilahy ireo fahotana rehetra ireo; izay izy vao hampandroaka azy hankany an-taniefitra, hoentina lehilahy anankiray voatendry.
Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.
Avy eo i Mosesy nilaza tamin’i Aharôna hoe: –Manatona ny alitara, dia atolory ny anao ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo, ka ataovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny tenanao sy ho an’ny vahoaka: atolory koa ny soron’ny vahoaka ary anaovy ny fombam-pivavahana famelan-keloka izy, araka izay nandidian’ny TOMPO.