Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 1:10 - DIEM PROTESTANTA

10 «Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Rehefa ondry na osy no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ondrilahy sy osilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Raha ondry na osy no atolony ho fanatitra dorana manontolo dia lahy tsy misy kilema no hatolony.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 1:10
22 Rohy Ifampitohizana  

I Abela koa nitondra ireo voalohan-teraky ny ondriny hatao sorona ka nanolotra ny jaborany ho an’ny TOMPO. Ary ny Tompo nankasitraka an’i Abela sy ny fanatiny,


Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.


Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.


Ny andro faharoa dia haka osilahy tsy misy kilema ianao ary hanolotra azy ho sorona fanalana ny ota ihany koa. Hataonao ny fanadiovana ny alitara tahaka izay efa nataonao tamin’ny ombilahy.


«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


Rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra kosa i Aharôna, dia ireto avy no fomba harahiny. Ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo no hoentiny.


Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.


lahy tsy misy kilema amin’ny omby na ondry na osy no aoka hateriny mba hahazoany sitraka.


Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.


Rehefa misy manolotra sorom-pihavanana ka ombilahy na ombivavy no atolony, dia izay tsy misy kilema no aoka hatolony eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Vantany vao fantatr’ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


«Raha misy olona manao fanazimbana ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ka manota tsy nahy momba izany, dia hitondra sorom-panonerana amin’ny TOMPO izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, tombanana sekela volafotsy vitsivitsy araka ny sekela fampiasa ao amin’ny Toeramasina: sorom-panonerana izany.


ka hoy izy tamin’i Aharôna: –Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.


ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin’ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.


ireto fepetran-dalàna izay nandidiany ireto: –Lazao ny Israelita hitondra ombivavy mena izay tsy misy kilema na tsininy ary tsy mbola nampitondraina zioga.


ary hitondra sorona ho an’ny TOMPO, dia ondrilahikely iray taona tsy misy kilema ho sorona dorana manontolo sy ondrivavikely iray taona tsy misy kilema ho sorona fanalana ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorom-pihavanana.


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra