Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra ka hiala amin’ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo, ary aoka samy hahafoy ny lalan-dratsiny sy ny herisetra fanaon’ny tanany avy izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra ka hiala amin’ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 3:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa tsy voaloton-kerisetra ny tanako; ary ny fivavahako dia madio hatrany.


Dia manokatra sofina azy Andriamanitra mba hihaino ny fananarany ka mandidy azy hiala amin’ny ratsy.


Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorîna ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


Hoy Izy taminareo: «Samia miala amin’ny fitondrantena sy fanao ratsiny avy ianareo, dia haveriko honina ao amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay ianareo.


Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin’ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin’ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.


Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


ary niteny izy ka nanao hoe: –Tsy ity moa ilay Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenan’andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.


Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao.


Dia nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary nanontany azy hoe: –Fa manao inona eto ianao? Toa matory! Mitsangàna, ka mba antsoy koa ny Andriamanitrao, fa angamba hieritreritra antsika Izy ka tsy hamela antsika ho faty.


Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;


Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1 260 andro sady hitafy gony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra