Joela 2:12 - DIEM PROTESTANTA12 Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Koa na dia ankehitriny aza, hoy NY TOMPO, dia miverena Amiko amin’ny fonareo manontolo, amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra Ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Jereo ny toko |
Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»
Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.
ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.