Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Joela 2:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra eo alohan’ny tafiny. Marobe sy matanjaka ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony. Fa lehibe ny andron’ny TOMPO; mahatahotra indrindra izany ka tsy hisy hahatanty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary NY TOMPO mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; fa lehibe ny Andron’NY TOMPO sady mahatahotra indrindra, koa iza no mahatanty izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fa ny TOMPO mitrena toa kotro-baratra eo alohan’ny tafiny. Marobe sy matanjaka ireo miaramila mpanatanteraka ny baikony. Fa lehibe ny andron’ny TOMPO; mahatahotra indrindra izany ka tsy hisy hahatanty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny, Ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Jehovah, Ka iza no mahatanty izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:11
30 Rohy Ifampitohizana  

Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra no nampitalakotroka ny varatra sy nampanakoako izany feony;


Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.


Kalesy an’arivony aman’alina ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin’ilay Toeramasina.


Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon’ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn’izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.


Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.


Amin’izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin’ny vinany misampana iafaran’ilay onin’i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantso ny renitantely izay any Asiria.


Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.


Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an’ny taranak’i Jakôba! Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»


Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»


Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin’ny andro hamelezako anareo? Fa Izaho TOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.


Indrisy efa antomotra ny andro, dia ny androm-pahatezeran’ny TOMPO izay ho tahaka ny fandringanana avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.


Fa misy andiam-bibikely miakatra mamely ny tanintsika; Tsy hita isa sady mahery ireo, ary mpandravarava sy mpandevona toy ny nifin’ny lion-dahy na toy ny vazan’ny liom-bavy.


Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiôna tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity, fa avy ny andron’ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.


Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.


«Onerako aminareo, hoy ny TOMPO, ireo vokatra nohanin’ny fanday sy ny valala mbamin’ny voangory sy ny kijeja; ireny miaramila betsaka ireny no nalefako hamely anareo.


Hoy i Hamôsa hoe: Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon’i Karmela.


Lozan’izay miandrandra ny androm-pamaizan’ny TOMPO! Fa ho inona moa aminareo io androm-pamaizan’ny TOMPO io? Ho andro maizim-panahiana izany fa tsy hamiratan-tsoa,


Moa hamiratan-tsoa ve ny androm-pamaizan’ny TOMPO? Tsia, fa ho andro maizim-panahiana izany, ho andro maizina tsy misy mangirana mihitsy.


satria efa antomotra ny andro hiavian’ny TOMPO ka hamelezany ny firenena rehetra. Amin’izany, dia araka ny nataonao ny hafa no hatao anao koa; ary hatsingerina aminao ny asa ratsinao.


Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.


Nefa zovy no hahatanty ny andro hiaviany? Ary zovy koa no hahajoro rehefa hiseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ho tahaka ny savonin’ny mpanasa lamba Izy.


Dia mbola nanonona izao teny izao indray i Balahama hoe: «Indrisy! zovy moa no afaka ho velona, rehefa Andriamanitra no manao famaizana!


Hisy baiko hatao antso avo ombàn’ny feon’arkanjely sy ny feon-trompetran’Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin’i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;


Noho izany, anatin’ny indray andro monja no hiantontan’ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan’ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.»


fa tonga ny andro lehibe isehoan’ny hatezeran’Andriamanitra mbamin’ny an’ny Zanakondry, ka iza no mahatanty izany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra