21 Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
21 Ataovy hoe: Izao... - teny marin’i Iaveh: - Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha, ny fatin’ny olona, sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja, ka tsy misy mpanangona.»
21 Ataovy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha Sy tahaka ny amboara nilaozan’ ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
21 Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
21 Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Hiampatrampatra ny fatin’ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan’ny mpijinja, izay tsy misy manangona azy.
Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.
Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.
Dia notohizan’i Jeremià hoe: «Ary ankehitriny dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Ahoana no dia anaovanareo ratsy lehibe hahavoa ny tenanareo? Moa tianareo haringana avokoa angaha ny vahoakan’i Joda mba tsy hisy sisa tavela na lehilahy na vehivavy na tanora na zaza madinika?
«Noho izany dia ho faty eny an-kianja eny ireo zatovony, ary ho ringana ireo miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.
Koa izao no lazain’ny TOMPO: Hasiako zava-mahasolafaka eo anoloan’ity firenena ity; ka samy ho solafaka sy ho faty eo na ny raiamandreny na ny zanany na ny namany sy ny mpiara-monina aminy.
ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.
Hoy ny TOMPO hoe: «Hampahorîko ny olona ka hitsapatsapa toy ny jamba, noho izy efa nanota tamiko; ka ny rany dia hiraraka toy ny vovoka, ary ny fatiny ho lo tahaka ny zezika.»