Eny, hatramin’ny andron’ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.
Nihareraka ilay niteraka fito, ka misefosefo fiaina; nilentika antoandrobe ny masoandrony, ka menatra sy afa-baràka izy. Ary izay sisa velona dia hatolotro haringana eo anatrehan’ny fahavalony. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.
Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.
Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.
Aoka hatory ombàn-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baràka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.
satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.
Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?