Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; fa tsy nihaino ny teniko izy ary nolaviny ny lalànako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, Dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, Ary nolaviny ny lalàko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; fa tsy nihaino ny teniko izy ary nolaviny ny lalànako.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:19
37 Rohy Ifampitohizana  

Halan’ny TOMPO ny fikasan-dratsy; fa madio aminy kosa ny teny tsara atao.


Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko ny Tompo.


Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.


Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.


Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Tonga Aho hanangona ny firenen-kafa rehetra sy ny samihafa fiteny rehetra, ka ho avy ireny mba hahita ny voninahitro.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.


–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


ka milazà hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga loza amin’ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.


satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Lazaonareo amin’ny mponina rehetra, ampandrenesonareo i Jerosalema fa manakaiky azy ny mpanao fahirano, tonga avy any an-tany lavitra any ka mihorakoraka hamely ireo tanànan’i Joda.


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Hampihorohoroiko ny Helamita eo anatrehan’ny fahavalony, dia eo anatrehan’izay mitady hahafaty azy. Amin-katezerana mirehitra no andefasako loza hamely azy. Hoenjehiko amin’ny ady ireo mandra-paharingako azy.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Koa henoy àry izao, ry firenen-kafa, fantaro tsara izay hanjo azy.


Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.


Mahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin’ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?


Nandika ny lalànao i Israely manontolo, ary nihodina tsy hihaino ny feonao; ka dia natosakao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.


Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Joda, fa indrindra ireto: Nanao tsinontsinona ny fampianarako izy ary tsy nitandrina ny didiko sady nanaiky ho voafitaky ny andriamanitra sampy izay efa notompoin’ireo razany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.


Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin’ny andro farany;


Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin’ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao.


Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo.


Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho; ny tany mandrenesa ny lazain’ny vavako.


Raha manao izany ianareo, dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio no manambara fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hiampitanareo an’i Jôrdàna mba halainareo ho fananana; tsy ho maro andro honenana eo ianareo, fa haringana tokoa.


Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.


Hoy kosa i Samoela taminy: –Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan’i Israely intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra