Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:7 - DIEM PROTESTANTA

7 I Babilôna dia tsatokaty volamena teo an-tanan’ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan’ny firenena no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Babilona dia kapoaka volamena teny an-tanan’NY TOMPO, izay nahamamo ny tany rehetra; efa nisotroan’ny firenena ny divainy, koa izany no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 I Babilôna dia tsatokaty volamena teo an-tanan’ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan’ny firenena no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Kapoaka volamena teny an-tanan’i Iaveh i Babela, nahamamo ny tany rehetra izy; nisotro ny divainy ny firenena ka tonga mibedibedy foana ny firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan’i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan’ny firenena, Koa izany no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Babilona dia kapoaka volamena teny an-tanan’NY TOMPO, izay nahamamo ny tany rehetra; efa nisotroan’ny firenena ny divainy, koa izany no nahavery saina ireny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:7
16 Rohy Ifampitohizana  

dia horedoninao izao hira fanarabiana ny mpanjakan’i Babilôna izao: Fa ahoana no niafaran’ilay mpanjakazaka ary koa niafaran’ny famoretany!


dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Hisy ady hamely ny reniranony, ka ho ritra ireo! Satria tany be sarivongan-tsampy io, dia sary mahatsiravina sady mahatonga izay manompo azy hirediredy.


Marobe ny olona tonga tao aminy, ka re tao ny kotaban’olona tsy manana ahiahy. Tonga tao koa ireo lehilahy avy amin’ireo toerana rehetra any an-taniefitra, ary nametaka haba teny amin’ny hato-tanan’izy mirahavavy sy nametraka satroboninahitra mahafinaritra teny an-dohany.


Volamena madio ny lohan’io sarivongana io, volafotsy kosa ny tratrany sy ny tanany, halimo ny kibony sy ny feny,


Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.


Nanaraka an’io dia nisy anjely faharoa nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, izay nampisotro ny firenena rehetra tamin’ny divainy, dia ny divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana!»


Fa io vehivavy io no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, ary nahaboboka ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divaim-pijangajangàny.


Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla; teny an-tanany kosa nisy tsatokaty volamena feno fanazimbazimbana, dia ny zava-maloto vokatry ny fijangajangàny;


Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan’ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.


Fa ilay divain’ny fijangajangàny mihoa-pampana no nisotroan’ny firenena rehetra; ka ny mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mpandranto manerana ny tany efa tonga mpanankarena satria tia filibana loatra io tanàna io.»


fa mahitsy sy ara-drariny ny fitsarana ataony, satria Izy efa nanameloka ilay vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangàny, ary efa namaly azy noho ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra efa nalatsany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra