Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Mandosira hiala an’i Babilona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo, fa izao no andro famalian’NY TOMPO; Izy no hamaly azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo, ary samia mamonjy ny ainy! Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo fa andro famalian’i Iaveh izao; ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Mandosira hiala an’i Babylona hianareo, Ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany hianareo; Fa izao no andro famalian’i Jehovah, Izy no hamaly azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Mandosira hiala an’i Babilona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo, fa izao no andro famalian’NY TOMPO; Izy no hamaly azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:6
29 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO Andriamanitra mpamaly ny natao ô, ry Andriamanitra mpamaly ny natao ô, mba misehoa!


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao, satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.


Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.


Hisotroany anie izany ka hampivembena sy hahavery saina azy eo anoloan’ny fandringanana izay halefako eo anivony.»


Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.


Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.


«Mandosira, vonjeo ny ainareo; ary mijanòna any an-taniefitra toy ny borikidia ianareo.»


Manaova akoran’ady manodidina mba hampikoizana azy. Indro fa nitolo-batana izy! Rava ny tilikambom-piarovany ary nianjera ny mandany. Izany no famalian’ny TOMPO! Koa valionareo i Babilôna; araka ny nataony tamin’ny hafa no mba ataovinareo aminy koa.


Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilônia mitondra ny vaovao ao Tsiôna: namaly faty an’i Babilôna ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.


Indro Aho hifanandrina aminao ry Babilôna mpiavonavona, Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany. Fa tonga ny andronao izao, dia ny fotoana hamaliako anao.


Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna, ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Izao àry no lazain’ny TOMPO amin’i Jerosalema: «Horaisiko an-tanana ny momba anao ka Izaho no hamalifaty anao: hataoko maina ny oniny ary horitiko ny loharanony.


Koa ilaozy ny tanànany, ry vahoakako, ary samia manavo-tena ianareo mba tsy hiharan’ny fahatezerako mirehitra!


Koa ianareo izay afaka tamin’ny ady, mandehana fa aza mijanona eo. Avy any lavitra any no tsarovy ny TOMPO ary ataovy ao an-tsainareo i Jerosalema.


Tonga hanafika an’i Babilôna ny mpandrava, ka hanao sambo-belona ireo maherifony, sy hanapotika ny tsipîkany. Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao ka mampihatra tokoa ny valifatiny.


–Efa nitsabo an’i Babilôna izahay saingy tsy nety sitrana izy. Aoka hilaozantsika izy, ka samia mody any an-tanintsika avy! Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.


TOMPO ô, araka izay nataony tamiko no hamalianao azy koa.


Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.


Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»


ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro, harangarangan’ny tanako ny famaizana, dia hovaliako ny mpandrafy Ahy ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.


Ry hafa firenena, hobio ilay vahoakan’Andriamanitra! Fa valian’ny TOMPO ny nahafatesan’ny mpanompony; eny, valiany tokoa ireo mpandrafy Azy, ary avotany kosa ny taniny mbamin’ny vahoakany.


Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.


Vaky ho telo toko ilay tanàna lehibe; rava ireo tanànan’ny firenena; tsy hadinon’Andriamanitra ny nanasazy an’i Babilôna lehibe, ka nomeny azy ny tsatokaty feno divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra