Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy tany amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho an’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy, mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, Dia nampiakatra zavona avy tany amin’ny faran’ny tany; Manao ny helatra ho an’ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:16
24 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa afaka izany, dia notsarovan’Andriamanitra i Noà sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara; ka nampandalo rivo-mahery teny ambonin’ny tany Izy, dia niharîtra ny rano.


Izany no ataon’Andriamanitra mitranga na hamaizana ny tany, na hanambinana azy.


Efa notsidihinao ve ny fitehirizana ny orampanala ary efa hitanao ve ny fanangonana ny havandra,


Manan-kery tahaka Ahy ve ianao na mitalakotro-peo tahaka Ahy?


Kanefa, noho ny fandrahonanao, dia nandositra ny rano; noho ny feon’ny kotrokoranao, dia nirifatra ireny


Nampiakatra rahona avy any am-paran’ny tany Izy, ka nanao helatra narahin-dranonorana ary namoaka ny rivotra avy tamin’ny fitahirizany azy.


Alefany ny teniny, ka miempo ireny; atsokany ny rivotra, dia mandriaka ny rano.


Manoloana Azy nisy hazavam-be ary koa rahona nandalo nifanesy niteraka havandra sy afo mitselatra.


Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.


Ianareo fanjakana eto an-tany, mihirà ho fanajana an’Andriamanitra; miredòna salamo ho an’ny Tompo, Fiatoana


Nataon’Andriamanitra nifofofofo teny an-danitra ny rivotra avy any atsinanana; ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.


Nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra.


Koa mampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay mitondra ny valala, ka mamerina azy ireny tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin’ny tany Ejipta manontolo na iray aza.


Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina,


Ary heno hatrany amin’ny kianja ivelany ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima, tahaka ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny.


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Fa nampifofofofo rivo-mahery teny amin’ny ranomasina ny TOMPO; dia nanonja mafy ny ranomasina ka nila ho vakin’ny tafiotra ny sambo.


Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra