Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Amin’izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady NY TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Amin’izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak’Isiraely, Dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; Eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana Ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:4
32 Rohy Ifampitohizana  

kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.


Katsaho ny TOMPO mahery, tadiavo lalandava ny fanatrehany.


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!


Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita, antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.


Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao, satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.


«Indro avy ny andro, izay hanaovako fanekempihavanana vaovao amin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.


Dia nivoaka hitsena azy avy tao Mitsepà i Jismahela sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tonga teo aminy izy, dia nanao taminy hoe: –Mandrosoa ao amin’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama ianareo.


Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan’ny zavatra nanaovako fanekempihavanana taminareo aza izany.


«Kanefa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak’i Jakôba ka hampodiko avy amin’ny fahababoany; ary hotakîko ny hanajan’ny olona rehetra ny anarako masina.


Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona no harahin’ireo voasesitany hody. Ary rehefa mierona ny TOMPO, dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona avy any ampitan-dranomasina any.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Hoy ny teny hentitry ny Tompo: «Dieny ankehitriny, miverena amiko amin’ny fonareo manontolo: mifadia hanina, mitomania ary manaova fitalahoana.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra