Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 50:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hiatrika hankany ka hiteny hoe: Avia ka maneke NY TOMPO amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Hanontany ny làlana mankany Ziona izy Sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an’i Jehovah Amin’ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:5
26 Rohy Ifampitohizana  

Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan’Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon’Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin’ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.


Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.


Dia hoy izy hoe: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; izaho irery ihany no sisa, nefa dia mbola mitady hahafaty ahy koa izy.


Rehefa mandalo ny lohasahan’ny Balsama izy, dia hasian’Andriamanitra loharano izany; sady avy koa ny loha orana hameno kamory azy.


Any no hisy arabe voamboatra hantsoina hoe «lalana voatokana». Tsy hahazo handalo eo izay maloto ary tsy hitonantonana eo ny mpanompo sampy; fa ny Tompo dia hisava izany lalana izany, ho an’ny vahoakany ihany.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.


Manangàna mari-dalana ho anao ka asio orim-bato eny amoron-dalana; hevero ny lalana efa nodiavinao, dia ny lalana efa narahinao, ka miverena, ry Israely malala, miverena amin’ireo tanànanao.


Fa ho avy indray ny andro izay hiantsoan’ireo mpiambina eny an-tendrombohitr’i Efraîma hoe: Andeha isika hiakatra any Tsiôna ho eo anilan’ny TOMPO Andriamanitsika!› »


Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»


Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan’ny zavatra nanaovako fanekempihavanana taminareo aza izany.


Ao no hamoriako anareo ho firenena iray eny an-tendrombohitr’i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hanjaka aminareo rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony ianareo sady tsy hivaky ho fanjakana roa intsony.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahalala ny amin’ny fampianarako izy, na zavatra avy amin’Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny.


Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.


Nanao mihoatra noho izay nantenainay izy ireo, fa nanolo-tena ho an’ny Tompo aloha, ary ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra