Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 5:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako, miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy. Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy, mba hisamboran’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako, miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy. Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy, mba hisamboran’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 «Fa misy ratsy fanahy amin’ny vahoakako; mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy, mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, Mamela-pandrika izy, ka olona no azony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:26
16 Rohy Ifampitohizana  

miafina izy mikendry ny olo-mahitsy, dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.


ka ilazany hoe: «Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin’ny olon-tsy manan-tsiny aza.


Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.


Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


Moa tokony hovaliana ratsy ve ny soa? Nefa izy manomana fandrika hamely ahy Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho mba hialan’ny fahatezeranao taminy.


Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.


«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.


Koa tsy hirotsaka ve Aho hamely ireny olona ireny, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitra ambarako?»


Moa hohadinoiko ve ny harena maloto nangonin’ny ratsy fanahy ao an-tranony sy ny famarana tsy ampy? Zavatra mahatsiravina izany!


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Toa izany koa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo izay niombona asa tamin’i Simôna. Ary hoy i Jesoa tamin’i Simôna: –Aoka izay ny tahotra; manomboka izao dia olona kosa no halainao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra