1 Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.
1 Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema.
1 Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.
1 Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin’ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao ianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.
1 MIVEZIVEZE eny an-dàlamben’i Jerosalema hianareo, Ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, Fa raha mba misy olona hitanareo, Izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, Dia havelako ny helok’i Jerosalema.
1 Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
1 Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema.
Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.
Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.
Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
Nohenoiko tsara izay nolazainy fa tsy mitombina velively. Tsy misy mba manenina amin’ny haratsiany izy na mba manontany tena hoe: «Inona ity nataoko?» Fa samy mivily amin’izay maharevo azy avy izy tahaka ny soavaly miriotra amin’ny ady.
«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.
Nokarohiko izay vonona hanangana ny manda na izay vonona hijanona eo amin’ny bangan’ny manda mba hifona eo anatrehako ho an’ny tany sy hisakana Ahy tsy handrava azy; nefa tsy nahita Aho.
Ary namaly ahy Izy hoe: –Tsy hita lany mihitsy ny heloka nataon’ny fanjakàn’i Israely sy i Joda: feno vonoan’olona ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna. Ary ny olona dia nifampiteny hoe: «Efa nandao ny tanintsika ny TOMPO ka tsy mahita antsika.»
Dia hivezivezy avy any atsimo ka hatrany andrefana ary hitotototo avy any avaratra ka hatrany atsinanana ny olona mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.
ka nanontany indray hoe: –Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: –Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.
Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.»