Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 49:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Adray, ry Rabà, zazavavy mpikomy! Ahoana no ireharehanao amin’ny lohasahanao, dia ireo lohasahanao mahavokatra be, sy itokianao amin’ireo tahirinao hoe: «Iza moa no ho sahy hanafika ahy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpikomy, izay mitoky amin’ny harenany ka miteny hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Adray, ry Rabà, zazavavy mpikomy! Ahoana no ireharehanao amin’ny lohasahanao, dia ireo lohasahanao mahavokatra be, sy itokianao amin’ireo tahirinao hoe: «Iza moa no ho sahy hanafika ahy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ahoana ny ireharehanao amin’izay lohasahanao, - mahavokatra be hoe ny lohasahanao, - ry zanaka vavy mpiodina, izay mitoky amin’ny harenao, manao hoe: «Zovy moa no sahy handroso hamely Ahy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, Ry zanakavavy mpiodina, Izay mitoky amin’ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpikomy, izay mitoky amin’ny harenany ka miteny hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 49:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Inona moa no hatahorako amin’ny andro fahoriana, raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza


Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin’ity tany ivelomantsika ity. Fiatoana


Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.


Ny fananan’ny mpanankarena no toy ny manda miaro azy; fa ny fahantran’ny ory kosa no hiteraka fandringanana azy.


Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no tomponareo. Hangalako iray isan-tanàna na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiôna.


Mandra-pahoviana ianao no mbola hiriorio etsy sy eroa, ry zanakavavy mpikomy? Fa ny TOMPO efa namorona zava-baovao eto an-tany: ny vehivavy indray no manenji-dehilahy.


Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.


Mampangovitra ny olona ianao sady mihevi-tena ho ambony kanefa mamita-tena. Ary ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato ka mamikitra eny antampon-kavoana, na dia mametraka ny akaninao ho avo toy ny an’ny voromahery aza ianao, dia havarimbariko avy eny.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.


Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain’io tanàna io anakampony: ‹Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra