9 Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.
9 Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.
9 Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po, ny mpisorona hiraviravy tanana, ary ny mpaminany ho kepoka foana.
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.
Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.
Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.
Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.
Azon’ny fahavalo ireo tanàna, azony ny toera-mimanda. Ary amin’izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon’i Môaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.
maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?
dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.
«Mijere, ry mpaniratsira, dia migagà ka manjavòna! Fa ny zavatra hotanterahiko amin’ny andronareo dia zavatra tsy hinoanareo akory na dia hotantarain’olona aminareo aza.»