Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, Ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, Efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao, Ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:7
33 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Jôiakima no nidiran’i Nebôkadnetsara mpanjakan’i Babilôna ny tanin’i Joda, ka dia voatery nanoa azy telo taona i Jôiakima. Taorian’izany kosa izy dia nikomy taminy.


Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.


Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.


Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao dia reko nanao fianianana hoe: «Tsy maintsy horavana ireo trano maro ireo; eny, na ny lehibe sy mamirapiratra aza, dia ho lao tsy hisy mpipetraka.


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.


Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.


Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.


Tahaka ny liona tanora nandao ny kirihitra fiereny no fahalasanan’ireo mpitondra Efa tonga lao ny taniny satria mahatsiravina ny ady ary mirehitra ny hatezeran’ny Tompo.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity? Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.


«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray


saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Noho ny fihorakorak’ireo mpitaingin-tsoavaly sy ireo mpitifitra amin’ny tsipîka, dia vaky nandositra ny tao an-tanàna rehetra: ka nitsofoka anaty kirihitr’ala na nianika ny harambato. Nilaozana avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy nisy mponina intsony.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin’i Jerosalema sy ireo tanàna hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,


–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!


Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Ho foana ny tanàna onenany ary hanjary lao ny taniny. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO›. »


Satria izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.


«Ry ilay taranak’olombelona, hirao ity hira fisaonana ny amin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta ity ka ambarao aminy hoe: ‹Tahaka ny liona tanora ianao teo anivon’ireo firenena. Nefa toy ny fanano ao anaty ranobe koa ianao ka nikofokofoka teny amin’ny oninao; nakobankobanao tamin’ny tongotrao ny rano ka izany no nandotoanao ny fikorianany.


Ary noho io fahalehibiazana izay nomen’Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.


Ny voalohany dia tahaka ny liona ary nanana elatry ny voromahery; saingy raha mbola nijery aho dia nesorina taminy ny elany, ary ningaina avy amin’ny tany izy ka nitsangana tamin’ny tongony tahaka ny olona, sady nomena fisainan’olombelona.


Horavako ny tanànanareo, ka hataoko tonga lao ny trano fivavahanareo, ary tsy hankasitrahiko velively ny hanitry ny soronareo.


Ianareo kosa, ady no hapoakako hamelezana anareo ka haeliko any amin’ny firenen-kafa ianareo; dia ho lao ny taninareo ary ho rava ny tanànanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra