Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 38:9 - DIEM PROTESTANTA

9 –Ry andriamanjaka ô, zava-dratsy avokoa izay rehetra nataon’ireo lehilahy ireo tamin’i Jeremià mpaminany fa natsipiny tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 –Ry andriamanjaka ô, zava-dratsy avokoa izay rehetra nataon’ireo lehilahy ireo tamin’i Jeremià mpaminany fa natsipiny tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 «Ry mpanjaka tompoko ô, ratsy izany nataon’ireo olona ireo tamin’ny nitondrany toy izany an’i Jeremia mpaminany, fa nampidininy ao an-davaka izy; ho faty mosary ao ihany izy, satria tsy misy mofo intsony eto an-tanàna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Tsia, tsy natahotra ny vavam-bahoaka aho na nanahy ny fanaratsian’ny fokonolona, ka hoe hangina ary tsy sahy hivoaka ny trano.


Noho ny fahirano sy ny fampahoriana hafitsok’ireo fahavalony izay hitady hahafaty azy, dia hasaiko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy ny olona; ary hifampihinana koa izy.


Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.


Dia nanome baiko an’i Hebeda-Melèka etiôpianina ny mpanjaka hoe: –Mitondrà telopolo lahy avy eto hiaraka aminao, ka ampiakaro hiala tao an-dava-drano i Jeremià dieny mbola tsy maty.


koa niainga avy tao an-dapa i Hebeda-Melèka, ary niteny tamin’ny mpanjaka hoe:


Nefa amin’ny andro izay hahatongavan’izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan’ireo olona atahoranao.


Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna fa tsy nanan-kohanina ny mponina. Ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,


Sentom-pahakiviana no ataon’ny vahoaka rehetra eo am-pitadiavana izay hohaniny. Efa nanome izay zava-tsarobidy indrindra izy mba hatakalo hanina hampodîna hery. Hoy izy hoe: «TOMPO ô, jereo ka diniho fa efa voavingavinga loatra aho.»


Nanidy ahy velona tao an-davaka izy ary nanjera vato teo amboniko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra