Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:21 - DIEM PROTESTANTA

21 I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy ary eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona izay efa lasa niala taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 I Sedesiasa mpanjakan’i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tanan’ny fahavalony, eo an-tanan’ireo mitady ny ainy, eo an-tanan’ny tafik’i Babilôna izay efa lasa niala taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan’ny fahavalony sy eo an-tànan’izay mitady ny ainy ary eo an-tànan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka dia hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy ary eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona, izay efa lasa niala taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:21
16 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna izay tao Riblà, ary namoahana didim-pitsarana.


Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.


I Tsedekià no nampanidy an’i Jeremià tao satria nanome tsiny ity mpaminany izy tamin’ny nanambarany ny hafatry ny TOMPO hoe: «Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Jerosalema ka ho lasany.


Ary na dia i Tsedekià mpanjakan’i Joda aza dia tsy ho afa-mitsoaka amin’ny Babilônianina fa hatolotra tokoa amin’ny mpanjakan’i Babilôna. Tsy maintsy hiseho eo anatrehan’i Nebokadnetsara izy ka hifandahatra aminy mivantana.


Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak’i Tsedekià roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan’i Joda rehetra.


Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan’ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hôfrà mpanjakan’i Ejipta tahaka izay nanolorako an’i Tsedekià mpanjakan’i Joda ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay fahavalo nitady hahafaty azy.»


Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià; ary tao Riblà koa no namonoana ho faty ireo mpiasam-panjakana jodeanina.


Kanjo nenjehin’ny miaramila babilônianina i Tsedekià mpanjaka ary tratrany teo amin’ny lemak’i Jerikao; dia nihahaka nandao an’i Tsedekià ny tafiny manontolo.


Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!


«Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan’izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran’ny mpanjakan’i Babilôna tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin’ny nitondrany azy tany Babilôna.


«Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin’ny tanin’ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilôna.


Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Hoentiko any Babilôna izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra