Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 32:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Teny avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà. Taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora kosa izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, dia ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Nebokadnezara.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 32:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.


Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe:


Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.


Tamin’ny fiandohan’ny nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia nisy teny avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià nanao hoe:


Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:


tamin’ny taona faha-18 nanjakany, olona 832 avy tao Jerosalema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra