Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 30:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am-bozony ary hotapahiko ny fatorany. Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa amin’izany andro izany, Hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao Sy hotosako ny fatoranao, Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 30:8
16 Rohy Ifampitohizana  

navoakany tamin’ny haizim-pito sady novahany fatorana.


Amin’izany andro izany, hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra, ary halàny eo am-bozonanao ny zioga. Miakatra ao Samaria ny fahavalo,


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina, eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy. Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako, hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»


Ary rehefa homen’ny TOMPO fitsaharana ianao, ry Israely, ka afaka amin’ny fijaliana sy ny tebiteby ary ny fanompoana mafy izay nampanaovina anao,


Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.


Hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: «Tsy hanompo intsony aho». Kinanjo teny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.


Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.


«Izao no voalazan’ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.


Hanompo azy sy ny zanany mbamin’ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan’ny andro hanompoan’ny taniny kosa an’ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.


Dia nesorin’i Hananià mpaminany ny zioga teo an-tsorok’i Jeremià mpaminany, ka nopotehiny.


–Ndeha lazao amin’i Hananià izao hafatry ny TOMPO izao: «Satria nopotehinao ilay zioga hazo teo, dia zioga vy no hasolonao azy.»


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.


Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin’ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan’ny mpanandevo azy izy. Amin’izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.


Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam-pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra