Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 24:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 JEHOVAH naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nasehon’NY TOMPO tamiko fa indreo, nisy aviavy roa sobika voapetraka teo anoloan’ny tempolin’NY TOMPO, taorianan’ny nitondran’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babilona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 24:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany dia tonga nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika babilônianina izay notarihin’ireo manamboninahitr’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.


Voahidy ny tanàna any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan’i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.


I Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilôna fony izy nitondra an’i Jekonià, zanakalahin’i Joîakima sady mpanjakan’i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.)


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io


dia fony niala tao Jerosalema i Jekonià mpanjaka sy ny renin’ny mpanjaka, ireo tandapa sy ireo mpiasam-panjakana ambony tao Joda sy Jerosalema mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpahay taovỳ.


Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nampanjaka an’i Tsedekià, zanakalahin’i Josià tao Joda mba hisolo an’i Kônià, zanakalahin’i Jôiakima.


nanapaka izay avo indrindra tamin’ny rantsany, dia nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny mpandranto ary nametraka azy tao an-tanànan’ny mpivarotra.


Nasiany farango vy tamin’ny orony izy, dia nohidiny tao anaty vata makarakara ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babilôna; dia nataony an-tranomaizina izy mba tsy ho re mieronerona intsony eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.»


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


Izao no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy nanao andiam-balala tamin’ny fiandohan’ny fitsimohan’ny kolokolo, dia ny kolokolo taorian’ny fijinjana vary ho an’ny mpanjaka.


Izao indray no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo ANDRIANANAHARY dia niantso ny afo hanatanteraka ny fitsarany; ka ny afo no nandritra ny ranobe any ambanin’ny tany sady nandoro ny tanin’i Israely.


Izao koa no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo mihitsy no nitsangana teo ambonina manda fira-potsy sady nitana fira-potsy teny an-tanany.


Ary nasehon’ny TOMPO tamiko i Josoa mpisorombe izay nitsangana teo anatrehan’ny anjelin’ny TOMPO. Ary nijoro teo ankavanan’i Josoa i Satàna mba hiampanga azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra