Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 23:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Hatolotro ho amin’ny henatra sy ny fahafaham-baràka tsy hohadinoina mandrakizay ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny henatra mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Hatolotro ho amin’ny henatra sy ny fahafaham-baràka tsy hohadinoina mandrakizay ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 ary ataoko tonga aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay, ny henatra mandrakizay, izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay Sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:40
10 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.


Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.


Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»


Koa zakao ny fahafaham-baràkanao fa nanamarina ireo rahavavinao ianao tamin’ny nanaovanao fahotana maharikoriko kokoa noho ny azy, ka toa miseho ho marina eo anatrehanao izy izao. Mba menatra kosa ianao ka zakao ny fahafaham-baràkanao noho ny nampisehoanao ireo rahavavinao ho toa marina!


Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.


Tompo ô, araka ny asa soa rehetra vitanao dia aoka re mba hisinda ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin’i Jerosalema tanànanao sady tendrombohitrao masina. Noho ny fahotanay sy ny heloky ny razanay, dia miteny ratsy an’i Jerosalema sy ny vahoakanao ireo firenena manodidina rehetra.


Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.


Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra