Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Koa indro, fa hasiako ny mpaminany, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Koa hiaviako ireo mpaminany ireo, izay mifangalatra ny teniko samy ho azy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, Izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:30
14 Rohy Ifampitohizana  

Tsinjovin’ny TOMPO ireo olo-marina ary henoiny hatrany ny antsony.


Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.


Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay nampifangaro ny teniny amin’ny teniko.


Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.


Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosimbako ny fehitanana izay angejanareo ny ain’ny hafa. Horovitiko ireny ka hoesoriko eny an-tanany, ary halefako malalaka ny aina izay nogejainareo.


Noho izany, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›


fa hirotsaka an-tsehatra Aho hamely azy. Mihevitra ho afaka tamin’ny afo izy kanjo ho levon’ny afo ihany. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO, rehefa hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho.


Ary Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy satria natolony ho sorona tamin’i Môlôka ny iray amin’ny zanany; izany no andotoana ny Toeramasina onenako sy analam-baràka ny anarako masina.


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin’ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.»


Dia havahan’ny TOMPO tsy ho anisan’ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin’ny fanekempihavanana voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity.


satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin’ny mpanao ratsy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra