Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Mandra-pahoviana no hiheveran’ireo mpaminany ireo hilazany lainga sy haminaniany araka ny fitaky ny fony

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Mandra-pahoviana?... Moa kendren’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga, ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ireo mpaminany izay maminany lainga Sy maminany araka ny fitaky ny fony va

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:26
13 Rohy Ifampitohizana  

Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy ô, raha miantso vonjy aho, mba valio. Tao an-katerena aho no efa nafahanao; iantrao àry aho ka henoy vavaka.


Hoy izy amin’ireo mpahita hoe: «Aza manam-pahitana ianareo»; ary amin’ireo mpaminany hoe: «Aza maminany zava-marina aminay, fa izay mahafaly anay ihany no lazao. Maminania nofinofy aminay.


Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany?


Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Maharikoriko ilay ombilahikelinareo, ry olon’i Samaria! Mampirehi-pahatezerana Ahy ianareo Mandra-pahoviana ny tenanareo no tsy hiharam-pamaizana?


sady nanao hoe: –Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao?


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra