Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Aza henoinareo ny teny izay ampitain’ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambaràna izay lazainy aminareo dia avy amin’ny eritreriny ihany fa tsy avy amin’ny vavako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany maminany aminareo, mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo; ny fahitana avy ao am-pony no ambarany, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, Fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, Fa tsy izay aloaky ny vavan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:16
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»


Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.


ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.


Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.


Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.


fa izao no lazainy aminareo: Inona moa no hadisoana hitan’ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy? Nandeha nanaraka zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa!


Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy.


Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?


Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »


«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


Ary hoy indray ny TOMPO hoe: «Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino na nanaraka izay nolazaiko taminy;


«Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.»


Tototry ny tany ireo vavahadin’i Tsiôna; nopotehina sy nomontsanina ny hidiny. Ny mpanjaka sy ireo mpitondra dia eo an-tanan’ny hafa firenena. Tsy misy fampianaran’ny mpisorona intsony; ary na ny mpaminany aza tsy mandray hafatra avy amin’ny TOMPO.


dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin’i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »


Noho izany dia tsy hisy intsony ny fahitanareo manodoka sy ny fanambarànareo mamitaka. Hoafahako amin’ny fahefànareo ny vahoakako. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO›. »


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory.


Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka izy, ka nanao hoe: ‹Izao no teny hentitra avy amin’ny TOMPO›; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.


Ary ny mpaminaniny kosa manarona izany rehetra izany amin’ny lalotra fotaka. Fahitana manodoka ary fanambaràna mamitaka no lazainy. Mihambo ho mampita hafatra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izy nefa Izaho TOMPO tsy niteny taminy akory.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


–Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka: malemy paika toy ny ondry izy manatona anareo; kanefa ao anatiny, toy ny amboadia mandramatra.


Nahalala an’Andriamanitra tokoa izy ireo, saingy tsy nanolotra ny voninahitra sy ny saotra tandrify Azy. Fa zavatra diso no nanjary nosaintsaininy, ary tonga maizina ny fony donto.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra