Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ny mpaminany: Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho, sy hampisotro rano voaisy poizina azy! Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy Sy hampisotroiko rano mangidy, Satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:15
12 Rohy Ifampitohizana  

Torotoron-datsa ny foko ka reraka aho: niandry mpitsetra fa tsy nisy, nitady mpampionona fa tsy nahita.


Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.


Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:


Noho izany, hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely, indro hofahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.


Haeliko any amin’ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin’ny ady any ambara-pahalany ritra azy.


Nobobohan’ny Tompo zava-mampalahelo aho ary nomamoiny zava-mangidy.


Poizi-mangidy ho ahy ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko


Nampijoro tovon-tany hamelezana ahy Izy, ka zava-mangidy sy fahoriana no nataony manemitra ahy.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


dia nomen-dry zareo divay miharo zava-mangidy i Jesoa hosotroiny; fa nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.


Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony!»,


Ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Ipoizimangidy; ka tonga mangidy sady voapoizina ny ampahatelon’ny rano rehetra, ary maro ny olona maty noho ny fisotroana rano voapoizina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra