Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 23:1 - DIEM PROTESTANTA

1 «Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, fa mpiandry ratsy mamela ny andian’ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 «Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, fa mpiandry ratsy mamela ny andian’ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Loza ho an’ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry eo amin’ny kijanako, - teny marin’i Iaveh! -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 LOZAN’ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:1
30 Rohy Ifampitohizana  

Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.


Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,


Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.


Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.


Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe: «Mba aiza àry izao ny TOMPO?» Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitarika nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.


Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Andian’ondry very ny vahoakako fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy, ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra. Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy ka nanadino ny vala fandriany.


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory.


Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:


Natositosikareo matanjaka tamin’ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin’ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan’ny tanim-bilona.


«Ianareo no olona, andian’ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Feno biby natokana hatao sorona i Jerosalema taloha rehefa tonga ny fety manetriketrika, fa biby amin’andiany no nentina tao; ary ho maro toy izany koa ny olona honina indray ao an-tanànanareo izay rava ankehitriny. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.


«Ireo vahiny miandry ny vahoakako no irehetan’ny fahatezerako; ireo osilahy no iantefan’ny famaliako. Izaho Tompon’izao rehetra izao kosa efa hamangy ny ondriko, dia ny taranak’i Joda izany. Toy ny soavaly voaravaka hiady izy no hoentiko any amin’ny toeram-piadiana.


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.


Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra.


Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon’ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy.


Mpangalatra sy jiolahy avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra