Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Eny, izao no lazaiko momba ny lapan’ny mpanjakan’i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan’i Gilehada, sy ny tendron’i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanàna tsy misy mponina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa izao no lazain’i Jehvoah ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona amiko hianao, Nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny: Amiko ianao dia tahaka an’i Gileada sy ny tampon’i Libanona, nefa hataoko tonga tany efitra sy tanàna tsy onenana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:6
26 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.


Tsara tarehy ianao, rahavako; eny, tsara tarehy ianao! Mahafinaritra toa voromahailala ny masonao anatin’ny voalinao; ny volon-dohanao dia toy ny andian’osy midina ny tendrombohitra Gilehada.


Ny ranjony dia toa andrim-batosoa miorina mafy amin’ny faladia volamena. Ny endriny dia meva fisandratra toy ny tendrombohitr’i Libano, sady fatratra toy ny hazo sedera.


Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.


Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.


–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»


Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baràka. Indro izy nanjary farany amin’ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.»


Ary eny an-tanàn-dehiben’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ireo mpanambady satria ho lao ny tany.


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!


Nanana andiana biby fiompy marobe ny taranak’i Reobena sy ny taranak’i Gada. Rehefa hitany fa mety hiompiana tsara ny faritr’i Jahezera sy ny tanin’i Gilehada,


Aoka mba hahazo mita aho ka hahita izany tany soa any andafin’i Jôrdàna izany, dia ilay faritra be tendrombohitra tsara sy i Libano.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra