Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin’ny henatra isan’andro izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo ka ho lany amin-kenatra ny androko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin’ny henatra isan’andro izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony, hahita fijaliana amam-pahoriana, sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, Ka ho lany aman-kenatra ny androko!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:18
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.


Ny olona natera-behivavy dia fohy andro iainana sady vontom-pahoriana.


Andriamanitro ô, raha mba nafeninao tany amin’ny toeran’ny maty aho ka notoloranao fialofana hiereko mandra-pitony ny fahatezeranao! ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!


Nahoana no ataon’Andriamanitra mahita masoandro ny olona ory ary ataony velona ireo tototra alahelo?


Kanefa nateraka ho ory ny olombelona, ary ny pitik’afo kosa natao hanidina miakatra.


Aza lavinao ny hijery ahy amin’ny androm-pahoriako. Anongilano sofina aho ka valio faingana amin’ny andro iantsoako vonjy aminao.


Tongava eto akaikiko Ianao hiandraikitra ahy, ka afaho amin’ny fahavaloko aho.


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.


Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.


Aoka hatory ombàn-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baràka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.


Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.


Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.


Lehilahy nahita fahoriana aho tamin’ny kapoky ny fahatezeran’ny Tompo.


Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho? Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao? Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra; ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.


Ilainareo tokoa ny faharetana mba hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra ka hahazoanareo izay ampanantenainy.


ary ny sasany nesoina sy nokapohina mafy, ary nofatorana sy nahiboka am-ponja.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra