Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, kanefa ianareo rehetra no nivadika tamiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nahoana no mifandahatra Amiko ianareo? Fa samy efa nikomy Tamiko ianareo rehetra, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, kanefa ianareo rehetra no nivadika tamiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Ahoana no ifandaharanareo amiko? Nefa efa niodina tamiko avokoa ianareo, - teny marin’i Iaveh.-

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Nahoana no mifandahatra amiko hianareo? Fa samy efa niodina tamiko hianareo rehetra, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Nahoana no mifandahatra Amiko ianareo? Fa samy efa nikomy Tamiko ianareo rehetra, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:29
8 Rohy Ifampitohizana  

Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.


dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao, ary tsy ara-drariny ny itezerako anao. Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy, dia hanenjika anao amin’ny fitsarana Aho.


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Nandika ny lalànao i Israely manontolo, ary nihodina tsy hihaino ny feonao; ka dia natosakao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.


Fantatsika kosa fa izay rehetra voalaza ao amin’ny lalàna dia voalaza ho an’izay eo ambanin’io lalàna io. Noho izany, dia tsy hisy hanan-kalahatra eo anatrehan’Andriamanitra; ary izao tontolo izao no hiaiky fa diso eo anoloany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra