Jeremia 19:7 - DIEM PROTESTANTA7 Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika7 Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tànan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voro-manidina sy ny bibi-dia. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia. Jereo ny toko |
Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.
Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»
ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.