Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 19:6 - DIEM PROTESTANTA

6 «Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tôfeta na lohasahan’i Bena-Hinôma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hanaovana ity toerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 «Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tôfeta na lohasahan’i Bena-Hinôma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Noho izany indro tamy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe: Tôfeta na lohasahan’i Ben-Hinôma fa hoe lohasaha famonoana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hanaovana ity toerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 19:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain’ny TOMPO, izay toy ny riakan-tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.


ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.


Avy eo dia mivoaha mankany amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma, izay eo anoloan’ny vavahadin’ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,


dia miakatra ny lohasahan’i Hinôma, amin’ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra izay eo andrefan’ny lohasahan’i Hinôma sy eo amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaîta;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra