Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 19:11 - DIEM PROTESTANTA

11 ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tôfeta no handevenana noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 19:11
13 Rohy Ifampitohizana  

ary hofehezinao amin’ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany.»


Izany no hampiavy tampoka ny faharavàny; fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.


Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»


Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy.»


Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


«Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tôfeta na lohasahan’i Bena-Hinôma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.


Midradradradrà, ianareo mpitondra, manaova antsoantsom-pitarainana; mihosinkosena amin’ny tany, ianareo mpiandraikitra andian’ondry, fa tonga ny andro hamonoana anareo ho faty! Hataoko montsamontsana ianareo, ka ho toy ny fanaka sarobidy nianjera.


Tsy misy afa-tsy hira fitomaniana no re eny an-tampon-trano rehetra ao Môaba sy eny an-kianja. –«Nopotehiko toy ny fanaka tsy ilaina i Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


Rehefa vitanao ny famakiana ny horonan-taratasy, dia afatory amin’ny vato iray izy, ary atsipazo ao amin’ny ony Eofrata;


Indrisy! Ireo vaton’i Tsiôna izay sarobidy sady manan-danja toy ny volamena madio dia tonga mitovy vidy amin’ny siny tany, asan-tanan’ny mpanefy tanimanga?


Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: –Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra