Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary raha simba ny vilany ataony–araka izay mazàna miseho amin’ny tanimanga eny an-tànan’ny mpanefy–dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary raha simba ny vilany amboariny, araka izay miseho matetika amin’ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’izy mpanefy tanimanga hanaovana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:4
5 Rohy Ifampitohizana  

Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»


Dia nidina tao an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho, ka indro izy nanao ny asany teo ambony kodia fanodinana.


Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe:


«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra