Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo Ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ny làlany ratsy avy hianareo, Ary ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:11
40 Rohy Ifampitohizana  

Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.»


Ankehitriny, raha ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao rehetra ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.


Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.


–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny vahoaka manerana an’i Joda manontolo ny amin’ny teny raketin’ity boky vao hita ity. Ireo razantsika manko tsy nihaino ny tenin’ity boky ity sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra ao anatiny, hany ka hirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’ny TOMPO.


Ka hoy ny mpanjakan’i Siria: –Mandehana àry mankany amin’ny mpanjakan’i Israely, fa hampitondra taratasy ho azy aho. Dia lasa i Nahamàna nitondra volafotsy telonjato kilao sy volamena enimpolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika folo.


Ankehitriny dia hampahafantariko anareo izay hataoko amin’izany voaloboko izany: Hoesoriko ny fefy tsilo miaro azy, dia hiraofan’ny biby fiompy izy. Harodako ny rindrim-bato manodidina, dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.


Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


ka milazà hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga loza amin’ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.


Ka hoy i Jeremià mpaminany tamin’ny vahoaka rehetra ao Joda sy ny mponina rehetra tao Jerosalema:


Hoy Izy taminareo: «Samia miala amin’ny fitondrantena sy fanao ratsiny avy ianareo, dia haveriko honina ao amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay ianareo.


Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.


Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin’ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin’ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.


Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao, hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.


Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.


Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»


Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»


Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Nojereko ny tany, ka indro foana sady tsy nisy endrika, ary ny lanitra tsy nisy fahazavana.


Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva, ary mandosira ka aza miato; fa hahatonga loza amin’antambo lehibe avy any avaratra ny Tompo.


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Ataovy tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.


Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin’ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.


Moa sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no sitrako.


Na olona na biby dia tsy maintsy misarona lamba fisaonana avokoa. Ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra ka hiala amin’ny toetra ratsiny sy ny herisetra nahazatra ny tanany.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho manomana loza hamelezana ny karazan’olona toa anareo; tsy ho azonareo ialana io loza io, ka tsy handeha miandranandrana ianareo satria andron’ny loza izany.»


Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: «Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.»


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra