Jeremia 18:10 - DIEM PROTESTANTA10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin’ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201110 nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavana azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin’ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika10 Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany, tsy mahahaino ny feoko, dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, Dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache10 nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavana azy. Jereo ny toko |
«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, lazao amin’ny mpiray firenena aminao koa izao: ‹Raha misy olo-marina iray manao ratsy, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavonjy azy. Raha misy olon-dratsy miala amin’ny faharatsiany, ny ratsy izay nataony taloha dia tsy hahavoa azy. Eny, raha misy olo-marina iray manota, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavelona azy.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.