Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 izay mpanjaka na mpanapaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka, ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty, ny mpanjaka sy ny mpifehy, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly, izy sy ny mpifehy momba azy, mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:25
21 Rohy Ifampitohizana  

Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »


Mpitaingin-tsoavaly miisa andiany 17 sy miaramila an-tongotra miisa andiany roapolo no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.


ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»


Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»


Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.


Hoy Izy taminareo: «Samia miala amin’ny fitondrantena sy fanao ratsiny avy ianareo, dia haveriko honina ao amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay ianareo.


Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.


Izao koa no lazain’ny TOMPO: «I Davida mpanjaka dia tsy ho tapaka mpandimby azy eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.


dia ho foana ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanakalahy hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak’i Levỳ hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Ataovy tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.


Fa hamponeniko eto ianareo, dia eto amin’ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.


Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»


Fa ny efa nohatoninareo kosa dia ny tendrombohitra Tsiôna misy ny tanànan’Andriamanitra velona, dia i Jerosalema any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia ny anjely marobe tsy hita isa


–Ireto avy no zon’izay ho mpanjakanareo: ny zanakareo lahy dia halainy ka hataony miaramila mpitondra kalesin’ady sy mpitaingin-tsoavaly, na hataony mpihazakazaka eo alohan’ny kalesiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra